Fandraharahana

Mitohy ny ezaka fanohanana ny kaoperativa ifarimbonan’ny NCBA CLUSA sy ny MIC
Nomarihina tamin’ny fomba ofisialy androany Alakamisy 18 Janoary 2024 tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny fanombohana ny Tetikasa CESI (Cooperative Ecosystem and Social Inclusion) izay haharitra efa-taona ka tsy hifarana raha tsy amin’ny volana Septambra 2028.
Tetikasa tanterahan’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny kaoperativa NCBA CLUSA ary vatsian’ny Governemanta amerikana vola amin’ny alalan’ny USAID ny CESI. Tetikasa hanohizana sy hanatsarana ny Fandaharan’asam-pampandrosoana ny kaoperativa amin’ny alalan’ny fametrahana fepetra mampiroborobo ny kaoperativa (CDP/CECE) koa izy.
Tanjona apetraky ny Tetikasa CESI ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny orinasa kaoperativa, fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahan’ny kaoperativa ary ny fanatsarana ny fahalalana eo amin’ny vondrona mpanao tantsoroka.
Naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka mitovy fomba fijery aminy ny Minisitera toy ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny kaoperativa NCBA CLUSA. Notsindrian’ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana, Irène Andriamaneho, nandritra ny fanombohana ara-pomba ofisialy ny Tetikasa CESI androany fa ny kaoperativa no fanoitra sy mpiara-miasa voalohany amin’ny MIC eo amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa Taninketsa Indostrialy.

Vous aimerez aussi...