Fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra atsimo andrefana:Notanterahina tany Toliara ny atrikasa fanombohana ny Tetikasa PTASO

Famelabelarana momba ny Tetikasa Fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana (PTASO) nataon’ny avy amin’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD) sy ny Mpandrindra mpisolo toerana ny Tetikasa. Izay no nanamarika ny atrikasa fanombohana ny PTASO natao tao amin’ny “Etoiles de mer” any Toliara omaly Alatsinainy 26 Septambra 2022. Tonga nanotrona izany ny tompon’andraikitra samihafa avy amin’ny MICC notarihin’ny Talen’ny Kabinetra izay nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy, ny avy amin’ny MinAE, ny parlemantera avy aminy amin’iny faritra iny ary ny Solontenan’ny BAD eto Madagasikara.
Mitohy amin’ny fampiofanana mandritra ny roa andro, anio sy rahampitso, moa ny fandaharam-potoana.
Haorina ao Ankorongoa, manakaiky ny lalam-pirenena faha-7, miditra an’i Toliara, moa ity toeram-pamokarana lehibe ity. Hahasahana velaran-tany 107 000 ha izany. Hivelatra amin’ny velaran-tany 120 ha ny orinasa. Tanjona ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Famatsiam-bola avy amin’ny BAD no anatanterahana ny Tetikasa PTASO.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...