Fanaraha-maso ny vidin’entana

Nitohy teny amin’ny tsenan’Ambanidia, Itaosy ary Ampitatafika ny fitsirihana nataon’ireo mpanara-maso avy amin’ny MIC
Miparitaka mamerana an’Antananarivo sy ny manodidina ireo Kaomisera sy mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninana ary tsy mitsahatra ny fitsirihana eny an-tsena amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao.
Mitovitovy tsy dia misy fahasamihafana ny vidin’ny vary eny anivon’ireo tsena samihafa toy ny teny Ambanidia, Itaosy ary Ampitatafika. Maro ireo karazam-bary vokatra eto an-toerana ka manana safidy tsara ny mpanjifa.
Afaka mifaninana tsara amin’ny vidin’ny vary nafarana ireo vary zana-tany satria dia misy vary gasy mora kokoa noho ny vary nafarana eny an-tsena.

Vous aimerez aussi...