Fiarovana ny mpanjifa

Tratran’ny mpanara-maso avy amin’ny MIC ny mpivarotra mpanararaotra mampakatra ny vidim-bary avy amin’ny SPM
« Izao ataonao izao no atao hoe fanararaotana. Efa sahirana ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Mikaikaika fa miakatra ny vidim-piainana. Nefa ianareo mbola manararaotra amin’izay fahasahiranany izay”. Hentitra ny Talen’ny Varotra Anatiny (DCI) eo anivon’ny Minisitera misahana ny Varotra (MIC) Andriniaina Randriamiaramahefa, androany Talata 23 Janoary 2024, nanoloana ny mpivarotra iray teny amin’ny tsenan’Anosibe.
Nampiakarin’io mpivarotra mpamongady io hitovy vidy amin’ny vary nafarana avy any ivelany ny vidin’ny vary avy amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) izay tokony ho 2700 Ar ny kilao. Mbola tsy nasiany famantarana hoe mivarotra vary avy amin’ny SPM koa teo amin’ny tsenany. Teo noho eo ihany moa dia nomena azy ny fiantsoana ho tonga eny amin’ny biraon’ny Minisitera eny Ambohidahy rahampitso Alarobia, mitondra ny faktiora sy taratasim-barotra rehetra any aminy.
Ho an’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC) moa dia anisan’ny asa tanterahana sy itadiavam-bokatra ato anatin’ny 100 andro ny fanaraha-maso ny vidin’entana.
Nialoha ny firotsahana teny amin’ny tsenan’Anosibe dia nitsidika toeram-pitehirizan’entana vitsivitsy teny Anosizato ireo mpanara-maso androany. Hita tamin’izany fa ampy hiatrehana ny filàn’ny mponina amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao ny vary misy.

Vous aimerez aussi...