Fiarovana ny mpanjifa

Handraisana fepetra ireo mpivarotra hani-masaka tsy mampiasa fanaronan-tsakafo any Maintirano
Nomena fe-potoana herinandro ireo mpivarotra hani-masaka any Maintirano mba hiomanan’izy ireo amin’ny fanaronan-tsakafo toy ny vata fitaratra, plastika mangarahara… Aorian’izay dia hisy ny fanaraha-maso mba ho sakafo madio sy ara-pahasalamana no misarona tsara no aroson’izy ireo ny mpanjifa.
Nanao rodobe ny ekipa avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka, ny solontena avy amin’ny Kaominina ambonivohitra Maintirano, ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Varotra, ny OMC Zandary sy Polisy nidina teny amin’ny Bazar Be ao Maintirano, omaly Alarobia 14 Febroary 2024. Nanentana ny mpivarotra hani-masaka hisoroka ny aretina azo avy amin’ny sakafo maloto, indrindra fa ny aretin-kibo isan-karazany sy ny choléra, izy ireo tamin’izany.
Nitohy teny amin’ireo mpivarotra amin’ny sisin-dalana Tanambao SPM, Tanambao météo, Bazar Filongoa sy Tanambao Nord izany ny tapak’andro hariva.

Vous aimerez aussi...