Famatsiana

Samihafa ny vidin’ny vary manerana an’i Madagasikara.

Mamaritra ny vidin’ny vary eny an-tsena ny masonkarena samihafa sy ny tombony alain’ny mpivarotra. Anisan’ny mampiakatra izany any amin’ny faritra sasany ny saram-pitaterana amin’ny fotoam-pahavaratra toy izao.
Ny vary avy any ivelany dia niaka-bidy hatrany am-potony. Raha 343 dolara ny 1 taonina tamin’ny fiandohan’ny taona 2023 dia lasa 570 dolara izany amin’izao volana Febroary 2024 izao.
Manohy hatrany ny fanaraha-maso ny MIC iadiana amin’ny mpanararaotra.
Toy izao ny vidim-bary tamin’ity herinandron’ny 19 Febroary 2024 ity.

Vous aimerez aussi...