Tontolon’ny fandraharahana

Ny 15 sy 16 Septambra lasa teo dia nisy ny fanentanana sy fiofanana momban’ny fepetra tokony arahina eo amin’ny sehatry ny fahadiovana ara-tsakafo izay nokarakarain’ny CNCA na ny « Comité National du Codex Alimentarius » teny amin’ny NEXTA Andranomena ho an’ireo mpandraharaha sy orisana misehatra eo amin’ny fanodinana ara-tsakafo. Ity hetsika notanterahina ity dia manamarika ny fanombohan’ny fiaraha-miasan’ny CNCA sy ny NEXTA. Maro araka izany ireo tetikasa iarahan’ny roa tonta hiasa ao aoriana kely ao.

Vous aimerez aussi...