Kolontsaina fandraharahana eo amin’ny tanora

Nahazo fanentanana avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) ny mpianatry ny « Sekoly Maria Mpanampy tetsy Soanierana Ambony”
Miezaka ny MIC mandray anjara eo amin’ny fanabeazana ny tanora dieny any an-tsekoly hahay hikolokolo ny toetsaina mandraharaha. Ireo mpianatra miisa 450 mianadahy ao amin’ny kilasy faharoa sy voalohany ary famaranana no nisikatra fampahafantarana sy fizarana momba ny tontolon’ny fandraharahana sy ny orinasa kaoperativa. Tsikaritra fa liana ny tanora ankehitriny ary tsy vitsy an’isa izy ireo no efa manana vina handraharaha. Tombony lehibe ny fizarana bebe kokoa ny mikasika ny orinasa kaoperativa satria maro ireo nihevitra fa ny fiara fitateram-bahoaka ihany no atao hoe kaoperativa.*

Source: DPE

Vous aimerez aussi...