Herinandron’i Eorope

Novakiana bantsilana ny momba ny fifanarahana ara-toekarena eo amin’ny Vondrona Eoropeana sy Madagasikara
Ampahibemaso no niresahana ny mikasika ny fifanarahana ara-toekarena eo amin’ny firenentsika sy ny Vondrona Eoropeana tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano. Teo anoloan’ireo avy amin’ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina no nanaovana izany. Hetsika tafiditra anatin’ny fanamarihana ny herinandron’i Eoropa.
Eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra dia manondrana betsaka kokoa ny Malagasy raha ampitahaina amin’ny fanafarana entana avy any amin’ny Vondrona Eoropeana. Nampahafantarin’ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fampirobroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tamin’ity fihaonana ity ny mikasika ny fizotry ny fifandresen-dahatra anatin’izany, ny antony nidirantsika tao, ny tombontsoa, ary ny dingana vita sy ny mbola hatao.
Nitondran’ny Tale jeneralin’ny Fadintseranana fanazavana ny fidirantsika amin’ny varotra tsy misy haban-tseranana amin’ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny 1 Janoary 2023 sy ny mbola hanavaozana ny fifampiresahana amin’ny Vondrona Eoropeanina mikasika ireo lisitry ny entana miditra eto tsy maintsy mandoa haba.
Ny mikasika ny tombony azo amin’ny fifanarahana kosa no nandraisan’ny Filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) fitenenana. Nanisy ahiahy amin’ny tsy fahafahan’ny indostria malagasy mifaninana koa anefa izy. Ny antony dia satria tsy ampy fitaovana sy tsy mahafeno ireo fepetra takian’ny tsena eoropeanina (fenitra, ireo fitsipika sasany) isika.
Ny Vondrona Eoropeana indray dia nanazava ireo fanampiana rehetra ataony amin’i Madagasikara.
Sary DCE

Vous aimerez aussi...