Fampiroboroboana ny indostria Malagasy amin’ny alalan’ny fandaharanasa ODOF

Miroso hatrany ny fanomezan-danja ny vokatra eny ifotony sy fampiroboroboana ny indostria malagasy amin’ny alalan’ny fandaharanasa ODOF. Anisan’ireo nisitraka milina mpanodina voasary makirana ny kooperativa AROMANIA tao amin’ny Distrikan’i Manandriana mba hampanarahana ny fenitra ireo vokatra voaodina. Maro isan-karazany ny mety hanodinana ny voasary makirana ary hihatsara hatrany izany amin’ny alalan’ny fampiasana ireto milina vaovao ireto.

Vous aimerez aussi...