Fihaonana an-tampony Korea-Afrika izay tanterahina any Séoul.

Nisokatra amin’ny fomba ofisialy anio ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika izay tanterahina any Séoul. Tombony ho an’i Madagasikara manokana ny fandraisana anjara amin’izao fihaonana goavana izao hahafahana mifampizara traikefa amin’ireo firenena Afrikanina mandray anjara fa indrindra amin’ny firenena fakan-tahaka toy ny firenena koreana. Efa maro ny seha-piaraha-miasan’ny firenena malagasy amin’i Korea ary tanjon’izao fihaonana izao ihany koa ny hampiroboroboana izany ho fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoan’ny Fitondram-panjakana indrindra fa eo amin’ny lafiny teknolojia sy ny indostria.

Vous aimerez aussi...