Vaovaon’ny faritra Diana

Midina ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Hita maso ny fidinan’ny vidin’entana any amin’ny faritra DIANA na mbola tsy mitohy aza ny lalam-pirenena RN6 mampifandray an’Ambilobe sy Antsiranana. Tsy maintsy afindra amin’ny fiara hafa efa miandry eny am-pita (transbordement) mantsy ny entana taterina.
Nidina 850 Ar hatramin’ny 800 Ar, araka izany, ny vary gasy iray kapoaka amin’izao fotoana izao. Antenaina fa mbola hidina izany satria mitobaka ny vokatra ankehitriny. Efa ahitana siramamy 5 000 Ar/kg koa eny an-tsena satria efa manomboka mivoaka ny vokatra avy amin’ny orinasa SUCOMA.
Raha ny legioma indray dia efa ahitana 5 000 Ar/kg, ohatra ny voatabia, raha toa ka 15 000 Ar izany tamin’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Toy izany koa ny ovy izay efa ahitana 4 000 Ar ny kilao raha toa ka 10 000 Ar izany tamin’ny fotoanan’ny rivodoza.
Raha bangoina dia efa mitobaka ny entana ilaina andavanandro any amin’ny faritra DIANA ary tsy atahorana ny tahiry hiatrehana ny fetin’ny Fahaleovantena 26 Jona.
Nitety ireo distrika ao anatin’ny Faritra ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) DIANA ny faran’ny herinandro teo nanara-maso ny vidin’entana.
Sary DRIC

Vous aimerez aussi...