Fahatratrarana vary simba teny amin’ny tsena Anosibe
Nahatratrarana vary simba 40 kitapo-na 50 sy 35 kilao nitokana teny amin’ny Akany fitoeran’i Père Pedro teny Andralanitra. Ho tohin’izay ihany : trano fitehirizana mpivarotra nanjifain’i Père Pedro ireo vary ireo no notsidihan’ny tompon’andraikitra avy ato amin’ny MICA teny amin’ny tsena Anosibe anio. Vary simba 30 kitapo-na 50 kilao no tratra tamin’izany. Nitarika fanidiana ny toeram-pivarotana izany mandram-pahamalin’ny tompon-toerana ny fiantsoana azy eny amin’ny MICA. Tafiditra feno anatin’ny fiarovana ny mpanjifa moa izao hetsika izao.