Dinika amin’ny fametrahana ny Faritra Indostrialy eny Moramanga

Ho tohin’ny fanambaran’Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, momba ny fametrahana ny “Faritra Indostrialy” dia noraisin-dRamatoa Lantosoa Rakotomalala, Minisitry ny Indostria, Varotra ary ny Asa tanana teto Anosy ireo delegasiona Maorisiana manatanteraka asa eto an-toerana. Omaly alakamisy 9 mey 2019 no nisian’io fihaonana io ary natao hirosoana amin’ny dingana manaraka amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Nanatrika izany moa ny Birao misahana ny Fampandrosoana ara-Toekarena Madagasikara (EDBM) izay nanao sonia ny Fehezan-dalàna mamaritra ny fifanarahana sy fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-teknika eo amin’i Madagasikara sy i Maorisy.

Vous aimerez aussi...