
ATSIMO ANDREFANA: Mahatratra 63 000 taonina mahery ny tahirim-bary any Toliara ka manodidina ny 8 000 taonina ny Vary Tsinjo. Tsy misy atahorana araka izany ny famatsiana ny tsena rehetra any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Miparitaka tsara ao Toliara sy any amin’ireo distrika 8 hafa ny vary.

MELAKY: Manana tetik’asa hanorina ozinina mpanodina voanjo ho lasa menaka any amin’ny faritra Melaky ny Sahanala. Nitsidika tao amin’ny DRICC any an-toerana omaly Alatsinainy tolakandro ny tompon’andriaikitry ny orinasa naka hevitra amin’ny fanaovana ny fanadihadiana momba ny ho fiantraikan’ny fametrahana ny indostria amin’ny tontolo iainana. Hamaha olana amin’ny famatsiana menaka sy hamorona asa ho an’ny mponina ity orinasa ity.

ATSINANANA: Mpisoloky mivarotra amin’ny alina no tao ambadik’ilay raharahan-tsiramamy novidiana nefa fasika no hita tao anatiny. Tany Mahanoro moa izany no niseho ary niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Rehefa nanao fanadihadiana ny DRICC Atsinanana tamin’ny alalan’ny manampahefana tany an-toerana dia fantatra fa gony miisa 5 nambara fa siramamy ary namidy mora no nentina nisolokiana.