Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Bongolava, Vakinankaratra sy Ihorombe
BONGOLAVA : Miomana amin’ny fampiharana ny famerana ny vidin’entana ambony indrindra ny faritra. Nidina teny an-tsena ny DRICC nanentana ireo mpivarotra ary nijery ny fitonian’ny vidin’entana ny faran’ny herinandro, alohan’ny fetin’ny Paka.
VAKINANKARATRA : Nihaona tamin’ireo mpaninjara ao an-tsenan’i Sabotsy ny DRICC sy ny avy amin’ny Kaominina Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitondrana fanazavana ny fepetra tsy maintsy noraisin’ny fanjakana momba ny famerana ny vidin’entana ilaina andavanandro ho fiarovana ny mpiara-belona manolona ny fiakaran’ny vidim-piainana. Nanambara ireo mpaninjara fa vonona ny hanatanteraka ny fepetra ary vonona ny hanaraka ny toromarika.
IHOROMBE : Naharitra telo andro, ny 13 aprily ka hatramin’ny 15 aprily 2022, ny fanentanana nataon’ny Fitaleavam-paritra tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ranohira sy Andohan’Ilakaka. Votoatin-dresaka ny mikasika ny ho famerana ny vidin’entana ambony indrindra eo amin’ireo entana ilaina andavananandro.