Famatsiana ny faritra traboina: vary 105 taonina tsy maintsy nafindra tamina Sprinter omaly noho ny fahatapahan-dalana

Vary Tsinjo 75 taonina sy Vatsy Tsinjo 30 taonina hamatsiana ireo faritra tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza BATSIRAI no tsy maintsy nandraisana fepetra manokana omaly teo Vohiposa. Nafindra tamin’ny fiara Sprinter miisa 11 ireo entana ireo ho any Fianarantsoa. Vahaolana haingana tsy maintsy noraisina mba hamonjena ireo mpiray tanindrazana.
Nambaran’ny Talem-paritra (DRICC) Matsiatra Ambony fa tonga soamatsara any an-toerana avokoa ireo vatsy ho an’ny mponina ireo.

Vous aimerez aussi...