Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Analanjirofo sy Betsiboka

Midina ifotony ny Fitaleavam-paritra (DRIC) mitsara ny fitaovam-pandanjana ampiasain’ny mpivarotra.

?ANALANJIROFO: Fitsarana fitaovam-pandanjana manatona ny mpivarotra. Nandehandeha namonjy ny toeram-pivarotana ny ekipan’ny DRIC Analanjirofo ny 25 sy 26 Jolay 2024 nanamarina ny fitaovam-pandanjany. Manodidina ny 55 eo ny mizana voatsara tao Bazar be sy Bazar kely ao Fenoarivo Atsinanana. Nanala fahasahiranana an’ireo mpivarotra amin’ny lafiny ara-potoana no sady koa miroso hatrany amin’ny fiarovana ny zon’ny mpianjifa ny fepetra noraisina ka nankasitrahan’ny voakasika.
?BETSIBOKA: Kaominina telo no nanatanterahan’ny DRIC Betsiboka fitsarana fitaovam-pandanjana sy famarana tamin’ity volana Jolay ity. Tao amin’ny kaominina Tsiafabositra ny mpitsara ny 13 sy 14 Jolay 2024. Nitohy tao Berivotra izany ny 15 sy 16 Jolay. Ny 25 sy 26 Jolay 2024 kosa indray dia nidina tao Mahazoma ny ekipa. Fitaovam-pandanjana manodidina 280 isa no voatsara tamin’ny izany ka ny 44 tamin’ireo no nahitana tsy fahatomombanana ka nentina namboarina.

Vous aimerez aussi...