Volavolan-dalana mikasika ny fizaka-manana ara-indostria

volavolandalana_dric
Solombavambahoaka telo voafidy tany amin’ny faritra Itasy nanome toky fa hanohana sy hampandany ny volavolan-dalàna hanatanterahana ny Tetik’asa momba ny Fanondroana ara-jeografika (Indication géographique)
Dodona amin’ny fiarovana ny vokatr’izy ireo amin’ny alalan’ny fitarafana ny fifandraisan’ilay vokatra vokarina sy ny faritra namokarana azy ary ny fahaiza-manaon’ny mpamokatra ka mahatonga an’ilay vokatra hanana ny kalitaony manokana ny any Itasy. Niray feo izy ireo omaly Alarobia 31 Jolay 2024 tao Miarinarivo, nandritra ny Atrik’asa mikasika izay fiarovana ny vokatra amin’ny alalan’ny Fanondroana ara-jeografika izay fa tena ilain’ny mponina, indrindra fa ny tantsaha mpamokatra, ny Tetik’asa toy izao entin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) izao.
Nampanantena mihitsy ny Solombavambahoaka telo mirahalahy voafidy tao Miarinarivo sy Arivonimamo fa hanao izay hampandaniana ny Volavolan-dalàna hanatanterahana ny Fanondroana ara-jeografika eny amin’ny Antenimeram-pirenena. “Tena goavana ny fisian’ity Tetik’asa ity satria tena manome lanja ny vokatra avy amin’ny tany niaviany, izay mifandray tanteraka amin’ilay tany niaviany ary manome lanja ny vokatra sy hampiakatra ny kalitaony, indrindra ny faritra”, hoy ny depiote Fetra Rakotondrasoa voafidy tao Miarinarivo.
Nisongadina nandritra ny atrik’asa ny fananan’ny faritra Itasy ny vokatra miavaka toy ny Le Roi Café vokarin’ny Kaoperativa Sariaka sy ny Kaoperativa Miavotra, ny lamba landy, ny vokatra vita amin’ny tapia toy ny divay amboarin’ny Tapia d’Itasy izay manana ny tsirony manokana mifandraika amin’ny toetry ny tany hitsirian’ilay tapia ao amin’ny faritr’Arivonimamo. Manana ny maha-izy azy amin’ny tsirony sy ny maha-natoraly azy koa ny menaka vokarin’ny Nobel Fleur mitantana ny Orinasa ODOF ao Analavory.
Samy nanamafy ny faniriany ireo mpandray anjara 32 nisolo tena ny mpamokatra sy mpandraharaha tamin’ny atrik’asa fa tena ilainy tanteraka io tetik’asa fiarovana ny vokatra vokarin’izy ireo io ka manantena ny fanampian’ny mpitondra fanjakana izy ireo ny hahatanterahan’izany, indrindra ity tetikasa Fanondroana ara-jeografika ity.

Vous aimerez aussi...