Voly fanondrana

Tafakatra 4400 taonina ny lavanila naondran’i Madagasikara nankany ivelany tamin’ity taom-piotazana 2023-2024 ity. Io no vokatra tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny lavanila malagasy.
Maka toerana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny lavanila avy eto Madagasikara. Nahatratra 4400 taonina ny vokatra lavanila naondrantsika nankany ivelany tamin’ity taona ity raha 2360 taonina izany tamin’ny taom-piotazana 2021-2022. Tafakatra 104 miliara Ariary koa ny vola voaangona ao amin’ny kitapom-bolan’ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV) ho entina hanatsarana ny seha-pihariana lavanila sy ny vokatra lavanila malagasy.
Porofon’ny fahombiazan’ny paik’ady anarenana ny seha-pihariana lavanila izany na teo aza savorovoro sy ny fampidirana resaka politika tamin’ny raharahan-davanila. Nahavita nandresy lahatra ny mpandraharaha amin’ny handraisany anjara amin’ny fiarovana sy fanatsarana ny lazan’ny lavanila malagasy ny Minisitry ny Varotra Edgard Razafindravahy sy ny CNV.
4 dolara isa-kilao amin’ny lavanila aondrana no alaina hamatsiana ny tetik’asam-panavaozana ny seha-pihariana lavanila. Ahafahana manatanteraka vina ho fiarovana ny tantsaha mpamokatra, hanatsarana ny kalitaon’ny lavanila sy hametrahana laboratoara manara-penitra hitiliana ny kalitaon’ny lavanila ho alefa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy asa hafa ihany koa ny vola voavory. Modelin’ny fiaraha-miasa ahitam-bokatsoa eo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina izany. Nandray anjara amin-kitsim-po tamin’ny fanatevenana kitapom-bolan’ny CNV ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila.

Vous aimerez aussi...