Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Androy, Itasy ary Sofia

Songadina
?ANDROY: Hisitraka famatsiam-bola avy amin’ny Tahiry momba ny fampandrosoana ara-pambolena (FDA) any amin’ny Faritra Androy ny Kaoperativa AVOTSE ANDROY. Izay no vokatry ny asan’ny Komity teknika mpanome fankatoavana izay nivory ny 05 Septambra 2024 tany Ambovombe. Ny famokarana lafarinina avy amin’ny mangahazo, moringa vovony, kaofitira baobab, chips vomanga sy savony avy amin’ny vahona no irotsahan’ity kaoperativa ity. Vehivavy avokoa moa ireo mpikambana ao amin’ny Kaoperativa AVOTSE ANDROY.
? ITASY: Nitohy tamin’ny fidinana ifotony tany amin’ny Distrikan’i Soavinandriana ny Atrikasa niarahan’ireo Fitaleavam-paritra voakasika tamin’ny Tetikasa AFAFI CENTRE ny 05 sy 06 Septambra 2024. Nojerena akaiky tamin’izany ny fivoaran’ny seha-pihariana fiompiana omby vavy be ronono sy ny fanodinana ny ronono ho lasa fromazy sy yaourt ka nitsidihana ny Orinasa kaoperativa SAFIDIKO, ny fikambanana SAFIDY ary ny fivondronan’ny tantsaha HARENA. Nanamafy moa ny tao amin’ny DRIC Itasy ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana traikefa sy tan-tsoroka ara-teknika hahalavorary sy hampaharitra ny fandraharahana ataon’ny mpisitraka ny Tetikasa AFAFI CENTRE.
? SOFIA: Tany amin’ny Distrikan’i Mampikony indray no nidinan’ny ekipa avy amin’ny DRIC Sofia nitsirika ireo fitaovam-pandanjana sy fitaovam-pandrefesana ampiasain’ny mpandraharaha sy mpivarotra. Hita fa narisika tokoa izy ireo nandray ny mpanara-maso mba ahazahoan’izy ireo refy sy lanja marina amin’ny asam-barotra izay ataony. Izany koa moa no natao dia hiarovana ny mpanjifa amin’ny fanararaotana. Nisy ny fanentanana ny mpivarotra tsy hangala-danja fa mahavoasazy ny manao izany.

Vous aimerez aussi...