Vaovaon’ny faritra ALAOTRA MANGORO: Kaoperativa misehatra amin’ny fiompiana sy fambolena miisa telo indray no nitsangana any Amparafaravola
Nisitraka fampiofanana ireo mpikambana ao anatin’ny kaoperativa KANTO (mpikambana 15), FIAVOTANA MIRAY (mpikambana 13), NY OMBONA (mpikambana 14) tafatsangana ao amin’ny Distrikan’Amparafaravola. Nampahafantarina azy ireo ny fomba fitantanana kaoperativa sy ireo lalàna mifehy izany nanomboka ny 01 marsa lasa teo.