Foara Iraisam-pirenena momba ny Fambolena (FIA)

𝗛𝗶𝗮𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗜𝗔 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗸𝗮𝗼𝗽𝗲𝗿𝗮𝘁𝗶𝘃𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮

 
Miomana fatratra hiatrika ny FIA, hanomboka ny Alakamisy 12 Septambra 2024 izao etsy amin’ny Forello Tanjombato, ireo kaoperativa avy any amin’ny faritra Androy. Nisy mihitsy ny Atrikasa nomanina nanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo ny 03 sy 04 Septambra 2024 tany Ambovombe. Nofaninana momba ny Fenitra sy ny kalitaon’ny vokatra vokariny izy ireo.
Kaoperativa telo misehatra amin’ny voanjo, tantely ary trondro no nisitraka ny fanofanana nomen’ny GIZ Prada sy ny Federasionan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM). Nanatrika izany ny DRIC Androy, ny CCI, DRAE, DRPEB, GIZ any Androy.
Niara-nanaiky ny mpizaika fa hanatsara ny vokatra ny fiofanana natao.
Hanana trano heva eny amin’ny FIA koa ny Kaoperativam-behivavy AVOTSE ANDROY. Ny famokarana lafarinina avy amin’ny mangahazo, moringa vovony, kaofitira baobab, chips vomanga sy savony avy amin’ny vahona no irotsahan’ity kaoperativa ity.
SARY NOMENA

Vous aimerez aussi...