𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗻𝗱𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗜𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 (𝗦𝗜𝗠) 𝗻𝗮𝗺𝗼𝗮𝗯𝗼𝗮𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗶𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮

Ny mpitantana ny SIM indray no noraisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) teny amin’ny Minisitera Ambohidahy omaly Alarobia 18 Septambra 2024. Fihaonana voalohany teo amin’ny roa tonta io taorian’ny nandraisan’ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA ny andraikiny amin’ny maha-minisitra azy raha mpikambana teo amin’ny SIM izy teo aloha.
Nozarain’ny Minisitra tamin’ireto mpandraharaha ara-indostria ireto ny lalan-tsainy hanatanterahana ny fampiroboroboana ny indostria izay napetraka ho andry faharoan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara araka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Anisan’izany ny fisokafana amin’ny sehatra tsy miankina ahafahana mampitombo ny anjara entin’ny indostria amin’ny harinkarena faobe.
Misokajy telo ireo indostria eto amintsika dia ny milina na ozinina madinidinika toy ny orinasa ODOF (One District One Factory) hampandosoana ny faritra, ny indostria antonontonony ary ny indostria mavesatra ahitana ny famokarana siramamy, menaka, simenitra sy zavatra hafa koa.
“Ny voalohany dia ny fampihodinanana ireo indostria efa misy sy ny fijerena ny rojom-pihariana. Mila mamokatra sanda hary eto an-toerana aloha satria hiha-hahantra ihany ny firenena raha sanatria tapitra aondrana ireo akora fototra ireo”, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA.
Mila manana paik’ady voarafitra miainga amin’ny atontan’isa marina ny fampiroboroboana ny indostria, araka ny fanazavany ihany. Iarahana manatanteraka amin’ny sehatra tsy miankina izany. Hiara-hiasa amin’ireo Minisitera hafa voakasika koa ny MIC hanatrarana ny tanjona.
Naneho ny fahavononan’ny SIM hiara-hiasa amin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra ny Filohany, Tiana RASAMIMANANA.
Nialohavan’ny fizaran’ireo mpikambana ao amin’ny SIM ireo ny zava-misy iainan’ny mpandraharaha amin’ny fampihodinana ny indostriany ny fihaonana.

Vous aimerez aussi...