Fitrandrahana ny tsenam-barotra kanadiana: orinasa sy mpandraharaha malagasy miisa 20 no tonga mampiranty ny vokatra avy aty Madagasikara any Toronto Canada

Lavanila, kakao, jirofo, loha-menaka, ny vahona… Aranty any Toronto Canada ny vokatra malagasy mandritra ny SIAL (Salon international de l’Agroalimentaire) izay nosokafana omaly Talata 9 Mey 2023 ary haharitra telo andro. Tanjona ny hahazoana tsenam-barotra mba afahana mampivelatra sy mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa indrindra koa ny famoronana ny asa aterak’izany.

Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Hetsika fampahafantarana sy fitrandrahana ny tsenam-barotra kanadiana (MECC 2023) ny SIAL. Mandray anjara amin’izany hetsika izany ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) izay soloin’ny Tale jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana tena.

Ny MECC 2023 dia karakarain’ny Antenimieran’ny Varotra Kanada Madagasikara (CANCHAM), tohanan’ny Tetikasam-panjakana PIC miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena, izay mbola hitohy hatramin’ny 19 Mey ho avy izao.

Maro ireo vokatra sy ranty asehon’ny firenena mpandray anjara mahakasika ny famolavolana sy fanodinana ny sakafo ho azo amidy sy hisintonana ny mpanifa eo amin’ny tsenan’i Amerika avaratra izay i Canada no ivony.

Sary DGCC

Vous aimerez aussi...