FANDRAHARAHANA ARA-TOEKARENA: Miantso fiaraha-miasa akaiky amin’ny sehatra tsy miankina ny minisitra Edgard Razafindravahy

« Tombony lehibe ho an’ny mpandraharaha sy ny tontolon’ny fandraharahana malagasy ny fananany minisitra mpandraharaha eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC) » hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fifampiresahany niaraka tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA). Fihaonana notontosaina androany folakandro tetsy amin’ny Vaniala Antsakaviro.
Nanentana ireo mpandraharaha malagasy ny tenany hiara-hamindra amin’ny Fitondram-panjakana ho fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana ary hanangana fotodrafitrasa matanjaka ho amin’izany. Mbola malalaka ny seham-pihariana amin’ireo vokatra ilaina eto an-toerana: vary, menaka, siramamy, famokarana simenitra. « Vitan’ny mpandraharaha Malagasy izany ».
Ho an’ny MICC, hitsangana amin’ity herinandro ity hoy Edgard Razafindravahy ny rafitra hanamorana ny dingana ara-panjakana ho an’ny mpandraharaha malagasy, hitantsoroka bebe kokoa azy ireo toy ny amin’ny fikarakarana fahazoana ireo fankatoavana samihafa.
« Miantso antsika, andao hiaraka hanangana hampisondina ny mpandraharaha malagasy », hoy ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana tamin’ireo mpandraharaha ao anatin’ny FIVMPAMA.

Vous aimerez aussi...