Fifanatrehan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka:Miroso ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy

“Taninketsa Indostrialy roa mamokatra menaka no efa vonona ary afaka miodina. Ny iray ao Ankadinondry Sakay ary ny iray ao Ambatofinandrahana”, hoy ny Praiminisitra androany raha nanao tatitra manoloana an’ireo Solombavambahoaka teny amin’ny CCI Ivato. Efa afaka manodina ny fary ho lasa siramamy koa ny Orinasa ao Antanamifafy Mahajanga II raha anatin’ny andrana teknika ankehitriny ny any Mahatalaky Tolagnaro. “Fitaovana ahafahana manangana Taninketsa Indostrialy miisa 75 koa no andrasana ho tonga ato ho ato hahazoan’ny mponina any amin’ny faritra, distrika sy kaominina tombontsoa”, hoy ihany ny Lehiben’ny Governemanta.

Vous aimerez aussi...