Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Alaotra mangoro, Analanjirofo ary Vakinankaratra

?ALAOTRA MANGORO: Mpisitraka Vatsin’ankohonana avy amin’ny FID miisa 150 no nentanina sy nofaninana momba ny paikady entina manangana orinasa, ny toetsaina tokony hananan’ny mpandraharaha ary ny mikasika ny Lalàna mifehy ny Orinasa kaoperativa. Avy amin’ny Fokontany 7 (Anosindrafilo, Ambodimanga, Avaradrova Avaratra, Avaradrova Atsimo, Madiotsifafana, Atsimondrova ary Antanifotsy) ao anatin’ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka izy ireo ka vehivavy avokoa ny 90 isan-jato. Nandritra ny 3 andro, ny 24 ka hatramin’ny 26 Septambra 2024, tao amin’ny EPP Amparabonga Ambatondrazaka, no nanatanterahan’ny ekipan’ny DRIC izany.
?ANALANJIROFO: Tafatsangana any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohibe, distrikan’i Vavatenina ny Kaoperativa MASÔVA, misehatra amin’ny fambolena sy famarotana vokatra lavanila sy fanodinana voankazo toy ny letisia. Miisa 28 ireo mpikambana ka ny dimy 05 amin’ireo no mandrafitra ny Filankevi-pitantanana. Manana fahazotoana ireto tantsaha mpikambana ireto satria nisy ny nandeha an-tongotra 25 kilometatra vao tonga amin’io toerana nanaovana fiofanana ao Ambohibe io. Nialohavan’ny fanentanana nataon’ny avy ao amin’ny DRIC tany amin’ny toerana misy ireo olona ireo izany.
?VAKINANKARATRA: Notanterahina ny 26 Septambra 2024 tany Ambatolampy ny Fivoriana fandrindrana ny fiaraha-miasa mba hanatanterahana ny politikam-panjakana momba ny fisian’ny Ioda sy Fluor ao anaty sira ho tombontsoa ara-pahasalaman’ny vahoaka malagasy. Nandray anjara tamin’ny fivoriana ny Komitim-paritra momba ny Sira sy ny I-team Vakinankaratra. Nitarika ny ekipan’ny DRIC Vakinankaratra tamin’izany ny Talem-paritra. Nisy koa ny fitiliana ny tahan’ny Ioda amin’ny sira amidy teny amin’ny mpivarotra tao Ambatolampy.
Sary DRIC

Vous aimerez aussi...