Fanovana ara-ekonomika

Efa vonona ao Moramanga ny velaran-tany 660ha hametrahana ny faritra indostrialy sy ara-toekarena

Laharam-pahamehana ao anatin’ny fanovana ara-ekonomika izay andry faharoan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fametrahana ny Faritra indostrialy (ZI) na Faritra ara-toekarena manokana (ZES). Nidina tany Moramanga nijery ny fanatanterahana ny Tetikasa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA ny 04 Oktobra 2024. Niara-dalana taminy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH) Gérard ANDRIAMANOHISOA.

Mivelatra amin’ny velaran-tany mihoatra ny 660 ha ny Tetikasa. “Ahafahantsika miantso mpampiasa vola, na eto an-toerana na any ivelany, mba hitambatra hanangana orinasa, hanangana toeram-panodinana hanodinana vokatra eto an-toerana izay zavatra ilaintsika”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra. Hitondra asa, hitondra tanàna vaovao, hitondra fanovana ara-toekarena ho an’ny faritra koa izany.

Manampy amin’ny fametrahana ity faritra indostrialy sy ara-toekarena ao Moramanga ity ny « Tetikasa fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra ara-bola » na PAISF vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) vola. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny PAISF ny fametrahana ny saha indostrialy any Moramanga.

Vous aimerez aussi...