Famolavolana ny paik’adim-pirenena vaovao momba ny ady amin’ny kolikoly

𝗡𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗹𝗼𝘇𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗶𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗩𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 (𝗠𝗜𝗖)

Filamatry ny MIC ny fandraisana andraikitra miady amin’ny kolikoly ahafahana manatsara ny tontolon’ny fandraharahana. Mifanojo amin’izany indrindra ny fisian’ny Atrik’asa teny amin’ny BIANCO Ambohibao niresahana momba ny andraikitra andrasana amin’ny Sehatra tsy miankina iadiana amin’ny kolikoly.

Atrik’asa fanangonan-kevitra maromaro no tanterahina mandritra ity volana Oktobra 2024 ity, tafiditra anatin’ny dingana arahina amin’ny famolavolana ny Paik’adim-pirenena vaovao momba ny ady amin’ny kolikoly.

Vous aimerez aussi...