Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Vakinankaratra, Itasy ary Atsimo Atsinanana

Mandrindra ny famatsiana vary ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC). Ampy ny tahirim-bary any amin’ny Faritra

👉VAKINANKARATRA: Manodidinina ny 700 taonina ny tahirim-bary any Vakinankaratra. Tarehimarika azo taorian’ny fitsirihana sy fanaraha-maso ireo tahirim- bary eny anivon’ny mpambongady sy mpanangom- bary tao Antsirabe I. Mbola ampy ny tahiry hatreto. Ho hatevenin’ny vary nafarana izany hiatrehana ny fotoam-pahavaratra.

👉ITASY: Mitohy ny fanentanana tsy haharoboka ny mpandraharaha ara-barotra anatin’ny fanararaotana ka hitsinjovany ny mpanjifa. Miarinarivo no nanatanterahan’ny ekipan’ny DRIC Itasy ny fidinana ifotony. Afaka misafidy amin’ireo karazam-bary eny an-tsena ny mpanjifa. 127 taonina ny tahiry any Itasy amin’izao fotoana izao.

👉ATSIMO ATSINANANA: Mitobaka ny vary eny an-tsena ary ampy ny tahiry ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana, na efa miditra anatin’ny maitso ahitra aza ny any an-toerana amin’izao fotoana izao. Misy mpandraharaha manana tahirim-bary gasy hatramin’ny 40 taonina, araka ny tatitry ny mpanara-maso avy amin’ny DRIC nidina tany Vangaindrano. Amidy 850 Ar ka hatramin’ny 950 Ar ny iray kapoaka eny amin’ny mpaninjara.

Sary DRIC

Vous aimerez aussi...