Ady amin’ny kolikoly

Nofanina teny amin’ny BIANCO ho mpampiofana momba ny ady amin’ny kolikoly ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fitsirihana anatiny sy ny ady amin’ny kolikoly (DAILAC) eto amin’ny MIC.

Fanamby lehibe iombonan’ny fianakaviam-ben’ny Minisitera tarihin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny ady amin’ny kolikoly. Nomena fiofanana ho mpampiofana, araka izany, ny mpiara-miasa eo anivon’ny DAILAC ahafahan’izy ireo manentana hiadiana amin’ny kolikoly eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC). Omaly Alarobia 15 Mey 2024 no nanatanterahana izany teny amin’ny BIANCO Ambohibao.
Tafiditra ao anatin’ny asa hiadiana amin’ny kolikoly moa ny fanambaram-pananana ataon’ireo lehiben’ny Foibem-pitondrana rehetra ka tsy ho ela dia hanavao ny fanambaram-pananany ny eto amin’ny MIC.

Vous aimerez aussi...