Ambanja: nanaovana Atrik’asa ny fanatsarana ny vokatra kakao

Na efa voasokajy ho kakao tsara kalitao indrindra eran-tany aza ny kakao malagasy dia tsy mipetrapetra-potsiny ireo mpisehatra voakasika fa mikaroka hatrany izay hanatsarana ny vokatra.
Ny mpanondrana, mpanangom-bokatra, ireo tantsaha mpamokatra, ny Ben’ny tanàna rehetra voakasika, ny Filankevi-pirenena momba ny kakao (CNC), ny FOFIFA, ny DRICC ary ny avy amin’ny Fiadidiana ny Faritra DIANA no nandray anjara tamin’ny Atrik’asa tany Ambanja ny Alakamisy 09 Novambra 2023. Tao anatin’ny laha-dinika tamin’izany ny fanaraha-maso akaiky sy ny fanatsarana ny vokatra kakao ary fanomanana ny fidirana amin’ny tsena voaara-maso (marché contrôlé).
Notsindriana tao ihany koa ny fampanarahan-dalàna amin’ity seham-pihariana kakao ity mba hahazoan’ny tantsaha mpamboly tombony sy hitazonana ny kalitaon’ny kakao ary ny lazan’ny kakao avy any Ambanja.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...