Anatin’ny fandalovan’ny rivodoza “FREDDY”: Nahitana fidinana ny vidin’ny vary gasy any Morondava sy Mahabo

Tsy misy atahorana ny famatsiana entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ary ampy ny tahiry raha ny any amin’ny faritra Menabe.

Ny vary gasy aza moa dia nahitana fidinany ao Morondava sy Mahabo satria fotoanan’ny fiakaran’ny vary izao any amin’ny distrikan’i Mahabo. 650 Ar hatramin’ny 700 Ar ny kapoaka amin’izao raha 800 Ar hatramin’ny 850 Ar izany teo aloha. 700 Ar kosa ny kapoakan’ny vary nafarana .

Marin-toerana ny vidin’ny PPN sasany toy ny menaka, siramamy ary lafarinina. Ny distrikan’i Manja no tena tratran’ny fiakaran’ny rano mandritra ny fandalovan’ny rivodoza Freddy.

Nijojo koa ny oran’andro raha ny tany Toliary omaly Alahady 5 Martsa 2023 hatramin’ny androany maraina. Mpivarotra vitsy no nisokatra. Tsy nisy fiakarany aloha ny vidin’ny vary sy PPN teo amin’ireo mpaninjara nanaovana fisafoana. Mikatona tsara tsy misy atahorana ny toerana fitehirizam-bary ao Toliara. Mbola manana tahirim-bary sy PPN ampy ny any an-toerana. 1000 any ho any ireo tra-boina mialokaloka ao amin’ny Kianja mitafo.

Doborano tanteraka koa ny tanàna any Morombe ka nikatona ny mpivarotra. Mijery akaiky ny famatsiana ny mponina ny MICC amin’ny alalan’ireo Fitaleavam-paritra samihafa.

Sary DRICC Atsimo Andefana

Vous aimerez aussi...