Anatin’ny fandalovan’ny rivodoza “FREDDY”: Nidina ny vidin’ny vary zanatany sy siramamy Ambilobe any Menabe

Manana tahirim-bary Menabe hatreto. 55 taonina ny Vary nafarana ary maherin’ny 97 taonina ny Vary zanatany. Fotoanan’ny fiakaran’ny vary rahateo izao ao amin’ny distrikan’i Mahabo.

Vokatr’izany dia nahitana fidinana ny vidin’ny Vary zanatany. 650Ar – 700Ar ny Vary bory, raha toa ka manodidina ny 800 Ar ny Vary lava. Nidina ihany koa ny siramamy Ambilobe izay lasa 205000 Ar/lasaka raha 210000 Ar izy teo aloha.

Tsy misy olana ny famatsiana ny distrikan’i Mahabo, Miandrivazo ary Belo/Tsiribihina satria tsy misy ny fahatapahan-dalana hatreto. 115 000 Ar/lasaka ny Vary gasy any Belo/Tsiribihina. Ny saram-pitaterana no mahatonga azy lafo no ho ny ao Morondava.

Manara-maso akaiky ny tahiry sy ny vidin’entana ny MICC amin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) hialana amin’ny fanararaotana ny andro ratsy hampiakarana ny vidin’entana.

Sary DRICC Menabe

 

Vous aimerez aussi...