Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (JIR)

Fitsinjovana ny tantsaha ny nametrahana ny milina ODOF any amin’ireo distrika telo any amin’ny Faritra SAVA
Distrika telo amin’ny efatra no efa anatanterahana ny Tetikasa ODOF any amin’ny Faritra SAVA. Efa mihodina ao Antalaha ny orinasa fanamainana voankazo izay vao notokanan’ny Filoham-pirenena tsy ela akory izay. Efa tonga ao Vohémar koa ny milina fanamboarana chips ary ao Sambava ny famokarana savony.
Ampirantiana eo amin’ny tranohevan’ny Fitalevam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) SAVA ireo vokatra voaodina avy amin’ny orinasa ODOF mandritra ny JIR andiany faha-9. Mitsinjo hatrany ny tantsaha ao an-toerana ny fisian’izany milina izany ao amin’ireo Distrika telo ireo. Mivelatra ny seha-pihariana ao amin’ny Faritra SAVA fa tsy mijanona amin’ny lavanila fotsiny ihany. Tenin’ny Talem-paritra izany nandritra ny fanokafana ny JIR tany Sambava omaly 07 jona 2024. Tantsaha manodidina ny 300 mpamboly « palmier » mivondrona anaty kaoperativa no hamatsy ny ozinina mamokatra savony ao Vohémar.
« Mivelatra ny raha ataonay noho ny fisian’ny milina aty amin’ny faritra SAVA amin’izao », hoy ny solontenan’ny kaoperativa Tongasaina ao Sambava. « Nisy ny hetahetanay mba hisian’ny orinasa eto amin’ny distrikanay eto mba tsy ho verivery sy lo ny vokatra eny an-tsaha. Hanome asa raha misy toerana hanodinanay ny vokatra. Tena faly izahay fa mijery anay tantsaha ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Tetikasa ODOF » hoy ny Filohan’ny Kaoperativa Komevas.
Isan’ny fanazavana entina eo amin’ny tranohevan’ny DRIC SAVA ho an’ireo mpisehatra ara-barotra rehetra any an-toerana ny mikasika ilay fitaovana ara-barotra PICM na Vavahadin-tserasera momba ny varotra eto Madagasikara. Hifarana amin’ny 09 jona 2024 ny hetsika JIR andiany faha-9.

Vous aimerez aussi...