Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa

Anantenan’ireo mpikambana fivoaram-piainana ny fivondronany anaty kaoperativa
Hanatsara ny fiainan’ny tantsaha sy mpikambana ao aminy no anisan’ny tanjona hivondronana anaty kaoperativa. Notsiahivin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy, androany Zoma 5 Jolay 2024, ny ezaka lehibe sy finiavana teo amin’ny fanavaozana ny Lalàna mifehy ny famatsiam-bola sy ny Lalàna momba ny Orinasa kaoperativa. Mifanaraka amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara izao atao mikasika ny kaoperativa izao, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, nandritra ny fanokafana ny lanonam-pankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa (JIC) tetsy Antaninarenina.
Notsindriany manokana koa fa mifamatotra ny kaoperativa sy ny Tetikasa ODOF (One Dsitrict One Factory). “Mivondrona ao anaty kaoperativa ny tantsaha, mamokatra eny ifotony ary mitondra ny vokatra ho aodin’ny milina”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Efa miisa 8 ny kaoperativa misitraka ny fitantanana ny ODOF any amin’ny distrika samihafa.
« Ny Orinasa kaoperativa manorina hoavy tsara kokoa ho an’ny rehetra » moa no lohahevitra nasalotra ny fanamarihana ny JIC tamin’ity taona 2024 ity. Ny eto amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), izay Ministera mpiahy ny orinasa koperativa, dia nisafidy ny hanatanteraka izany fankalazana izany isaky ny Faritra amin’ny alalan’ireo Fitalevam-paritra 23 manerana ny Nosy. Ny lalan-tsaina itondrana izao fankalazana izao dia ny ampisongadinana ny anjara toeran’ny Orinasa koperativa eo amin’ny sehatry ny fihariana indrindra fa eny ifotony sy ho an’ireo vahoaka eny ifotony.
Ankehitriny dia mahatratra 3759 ireo orinasa kaoperativa mitsangana sy voarakitra ara-dalàna eto Madagasikara izay mitsinjara amin’ny seha-pihariana maro samihafa ary ahitana mpikambana 74 379. Mahatratra 59 kosa ny orinasa ODOF mitsangana manerana ny Distrika 53 mba hanodinana ny vokatra avy amin’ireo orinasa koperativa ireo toy ny voankazo, tantely, voanjo, soja, voatabia, mangahazo sns…
Mpiara-miasa nanohana ny fampivoarana ny kaoperativa hatramin’izay ny NCBA CLUSA izay vatsian’ny USAID sy ny GIZ PrAda.

Vous aimerez aussi...