Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa (JIC) – FARITRA MENABE

Niavaka ny fankalazana ny JIC tany Morondava satria, ankoatry ny fampisehoana ireo vokatry ny kaoperativa tamin´ny alalan´ny tranoheva, nisy ny fametrahana vatofototra ho fanorenana ny trano ho atao fampirantiana ny vokatr´ireo kaoperativa, manoloana ny biraon’ny CCI. Ny Firaisan´ny Kaoperativa TSINJOLAVITRA no hiantoka ny fanamboarana izany trano izany. Misy koa ny fiaraha-miasa amin´ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) sy ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) ho fanatanterahana ny asa.
Tombanana ho vita ao anatin´ny 3 volana eo ny fanorenana raha ny nambaran´ny Filohan´ny Firaisan´ny Kaoperativa Tsinjolavitra.
Tao anatin´ny 2 taona izay dia manodidina ny 160 eo ny kaoperativa niorina izay ahitana firaisan´ny kaoperativa 1 sy federasionan´ny kaoperativa 1.

Vous aimerez aussi...