Koperativa Taxi Moto Anjozorobe

                      Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana (#MICA) amin’ny alalan’ny Foibe Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) sy ny ONG LALANA eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny #koperativa dia tontosa ny fanentanana sy ny fanofanana ireo mpikambana ao anatin’ny koperativa mpitatitra « TAXI-MOTO » tany amin’ny firaisana Ambatomanoina, Distrika Anjozorobe, faritra Analamanga ny 25 ka hatramin’ny 27 Febroary 2020.

                      Tao aorian’ny fanofanana dia nisy ny fanolorana ny mari-panoratana (Certificat d’Enregistrement) ny koperativa avy amin’ny MICA, narahin’ny fanolorana fampitaovana « gilets » miisa 90 ho an’ny koperativa ary koa « badges » avy amin’ny ONG LALANA.

                      Manana hetaheta ny hahazo fanofanana avy amina « Auto-Moto école » avy aty Antananarivo ireo mpikambana mba ho ara-dàlana tsara amin’ny fahaizana mitondra « moto ». 

  

Vous aimerez aussi...