Fidinana ifotony tany amin’ny kaominina Fihaonana

Ny 02 Febroary 2021 dia nanao fidinana ifotony tany amin’ny kaominina Fihaonana, Distrika Ankazobe ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana nijery akaiky ireo mpandraharaha any an-toerana izay misehatra ao anatin’ny famokarana mananasy, tongolo, voanjobory ary indrindra ny saonjo izay vokatra tokoa sady manana kalitao tsara sy miavaka. Raha ny loharano azo tany an-toerana dia mahatratra eo amin’ny 4000 taonina eo ny saonjo vokatra ao amin’ny kaominina Fihaonana izay hahondrana makany ivelany avokoa ireo toy ny nosy Mayotte sy Comores (izay manao ny saonjo ho foto-tsakafon’ny mponina).
Nanatanteraka fihaonana manokana tamin’ireo mpisehatra any an-toerana i Rtoa Minisitra Lantosoa RAKOTOMALALA ahafahany mihaino ny hetaheta sy manoro hevitra ary mijery izay mety hanatsarana ny seha-piharianan’ireo mpandraharaha ireo. Tsikaritra anefa fa mbola tsy ahitana fotodrafitrasa fanodinana vokatra any an-toerana. Nandritra izany fihaonana izany no nijerena ny fomba entina hampiroboroboana sy hanodinana ny vokatra eny ifotony ihany. Nambaran-dRtoa Minisitra fa isan’ireo distrika hisitraka ny fametrahana ny fandaharanasa “ODOF na Indostria iray ho an’ny Distrika iray” ny Distrika Ankazobe izay manana ny vokatra mampiavaka azy.

Vous aimerez aussi...