Fanaraha-maso ara-barotra
Nizara roa ny fidinana fanaraha-maso ara-barotra teny an-tsena notanterahan’ny mpanao fitsirihana ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa eto amin’ny MICA:
Fijerena ifotony ny fitsinjarana sy famatsiana ny vary tsinjo eny amin’ireo mpaninjara sy tsena kely
Fanamarinana ny fanarahan’ireo mpaninjara ny fepetra ara-barotra izay fanaon’ny mpanara-maso hitsirihana ny antontan-taratasy ara-barotra toy ny taratasy filazam-bidy nangalana ny entana
Nandritra izany dia nandray fepetra hentitra ny teto amin’ny minisitera manoloana ireo mpaninjara izany tsy nahita taratasy manamarina ny fiakaran’ny vidin’entana diso tafahoatra izay miendrika fanararaotana ny mpanjifa. Izany fepetra noraisina izany dia marihana fa fepetra vonjy maika na “consignation provisoire” ka ao anatin’izany dia mandeha ny fanadihadiana rehetra eto anivon’ny minisitera ahafahany mandray ny fanapahan-kevitra.