Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana: Nentanina hivondrona anaty kaoperativa ireo olona manana fahasembanana amin’ny asa fihariany

Nampahafantarina an’ireo olona manana fahasembanana ny paikadin’ny fitondram-panjakana entina hampiroboroboana sy hanatsarana ny fandraharahana amin’ny alalan’ny fampivondronana azy ireo ao anaty kaoperativa. Nohamafisina hatrany fa misokatra ho azy ireo ny varavaran’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboina ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (DRICC) Itasy amin’ny fampiofanana sy tantsoroka ho amin’izany.
Nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembana tany Soavinandriana no nisehoan’izany ny Sabotsy 3 Septambra 2022.
Misy amin’ireo olona manana fahasembanana ireo mantsy no manao asa fihariana isan-karazany toy ny fambolena, ny fiompiana ary ny asa tanana. Natao ny fanentanana mba ho fampanjariana sy hahamatihanina ny asa fihariana ataon’izy ireo.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...