Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny kaoperativa andiany 2023 (JIC): Nitohy androany 22 jolay 2023 ny fisitrahan’ireo kaoperativa sy ny mponina ao Miarinarivo Itasy liana amin’ny fizarana traikefa eo amin’ny tontolon’ny orinasa kaoperativa.

Tafiditra tanteraka anatin’ny singa mitondra ny fampandrosoana maharitra ho lovain-jafy ny orinasa kaoperativa ary mitsinjo indrindra ny maha olona eo amin’ireo mpikambana ao anatiny. Fanatsarana hatrany ny tontolon’ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny orinasa kaoperativa no tanjona lehibe imasoan’ny rafi-panjakana. Nisy ny fanentanana sy fampahafantarana ny mombamomba ny atao hoe orinasa kaoperativa, ny fizarana ihany koa ny dingana atao eo amin’ny fananganana orinasa kaoperativa ary ny fizarana ny kolontsaina mpandraharaha izay nataon’ny ekipa avy ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) eto amin’ny MICC. Nitondra fanazavana ihany koa ny Vondrona iray avy ao Miarinarivo amin’ny fanohanana ara-teknika sy fampiofanana afaka ataony ho an’ireo orinasa kaoperativa ho tonga matihanina kokoa. Ireo hetsika fifampizarana sy fifanakalozana ireo no namarana ny JIC andiany 2023 izay nankalazana ny 21 sy 22 jolay 2023 tany amin’ny Faritra Itasy, Distrikan’i Miarinarivo. Notolorana mari-pankasitrahana avokoa ireo mpandray anjara teo amin’ny trano eva nandritran’ny roa andron’ny fankalazana.

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny biraon’ny Faritra izany niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Itasy, ny Mpanolon-tsaina ara-teknikan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy, ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE), ny Talem-paritra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria eto amin’ny Faritra Itasy, ny Talem-paritra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria any amin’ny Faritra Anôsy ary ireo solotenan’ny kaoperativa nandray anjara rehetra.

Tsiahivina fa kaoperativa miisa manodidina ny 50 isa avy amin’ny Faritra samihafa no nandray anjara tonga tany amin’ny Faritra Itasy, Miarinarivo nandritra ny JIC 2023.

Vous aimerez aussi...