Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny kaoperativa: ny kaoperativa ho an’ny Fampandrosoana maharitra

Ankalazaina any amin’ny Faritra Itasy, kaominina Miarinarivo, ny Andro Iraisam-pirenena natokana ho an’ny Kaoperativa (JIC) ho amin’ity taona 2023 ity. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 21 jolay 2023 izany ary hifarana ny 22 jolay 2023.

Hetsika isan-karazany no entina manamarika ny JIC any Itasy toy ny fisian’ny trano eva manodidina ny 50 isa, ny fifanakalozana amin’ireo mpandraharaha matihanina sy ny mpitantsoroka ary ny mpanohana ara-bola sy ara-teknika, ny famelabelaran-kevitra arahina ady hevitra ary ny fifampifandraisana ireo kaoperativa amin’ireo mpanohana samy hafa (BtoB).

Kaoperativa maro manerana ny Faritra hafa toy ny Faritra Bongolava, Analamanga, Analanjirofo, Anôsy, Vakinankaratra misehatra anaty fiompiana, fambolena, seha-pihariana rary no tonga mankalaza ny JIC 2023.

Tanjona ny hanomezana angovo vaovao ho an’ny kaoperativa any amin’ny Faritra Itasy izay any amin’ny manodidina ny 400 ny isany.

Miara-mifanome tanana amin’ny MICC ny mpiara-miombona antoka toy ny tetikasa PAISF, ny NCBA CLUSA, ny GIZ Prada amin’ny fanatontosana izao fankalazana ny JIC izao.

Raha tsiahivina dia manodidina ny 3508 ny isan’ny kaoperativa manerana ny Nosy ( 2435 amin’ny seha-pamokarana voalohany ; 380 amin’ny seha-pamokarana faharoa ; 693 amin’ny seha-pamokarana fahatelo).

Ny rafi-panjakana dia maneho hatrany ny fahavonony hitantsoroka ny orinasa kaoperativa ho fampandrosoana maharitra eny ifotony, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny MICC, Onja Miandry Rakotondramanana androany.

 

Vous aimerez aussi...