Fivoriana tany Mananara Avaratra
Vaovaon’ny faritra : Analanjirofo (Mananara Avaratra) Tontosa ny 18 Febroary lasa teo ny fivoriana niarahana tamin’ny mpivarotra ambongadiny misahana ny entana ilaina maika tao amin’ny biraon’ny Lehiben’ny distrika Mananara Avaratra. Izany no natao dia mba hiomanana ny fiavian’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza ka hahafahana mahazo antoka ny fisian’ny tahiry hamatsiana ny distrika amin’ny vidiny mirary.