Antananarivo renivohitra sy ny manodidina: Vary Tsinjo 123,7 taonina no notsinjaraina tamin’ireo mpivarotra any anivon’ny fokontany tato anatin’ny 3 andro

Mitotaly 123,7 taonina ny Vary Tsinjo ary 5,45 taonina ny siramamy Namakia naterina tany amin’ireo mpivarotra mpaninjara ny Talata 28 Febroary, Alarobia 1 Marsa ary omaly Alakamisy 2 Marsa 2023. Mitohy tsy tapaka araka izany ny famatsiana ny mponina any anivon’ny fokontany samihafa eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Raha ny omaly fotsiny dia mpivarotra 140 any amin’ny fokontany 44 no nisitraka Vary Tsinjo 35,05 taonina. Mpivarotra 37 any amin’ny fokontany 20 kosa no nahazo siramamy Namakia 1,85 taonina.

Amidy amin’ny 650Ar moa ny kapoakan’ny vary raha 3800Ar kosa ny kilaon’ny siramamy.

Sary DCI

 

 

Vous aimerez aussi...