Antananarivo sy ny manodidina: Efa eny amin’ny mpaninjara ny Vary Gasy Tsinjo

Nanomboka ny Alatsinainy 3 Aprily 2023 ny fanaterana ny Vary Gasy Tsinjo eny amin’ireo mpivarotra mpaninjara. Ny fokontany Ankadimbahoaka, Tanjombato, Andoharanofotsy no voalohany nisitraka izany tamin’io Alatsinainy io. Talohan’izay anefa dia nidina teny amin’ny foibem-pitehirizan’entan’i orinasa SPM ny avy amin’ny Foibem-pitondrana miasahana ny Varotra anatiny (DCI) sy ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Analamanga nanara-maso ny famadihana izany vary avy any Imerintsiatosika izany ho ao anaty kitapo vary tsinjo. Nohamarinina koa ny fatran’ny vary mba ho 50kg marina ny iray kitapo.

Etsy ankilany dia mitohy hatrany koa ny fanaterana ny Vary Tsinjo ka ny Talata 4 Aprily 2023 teo dia vary 62,9 Taonina no nitsinjaraina tamin’ireo mpivarotra 263 any anivon’ny fokontany 65. Amidy amin’ny 650 Ar/kapoaka moa ny Vary Tsinjo.

Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Paka izao moa dia nidina teny amin’ny tsenan’i Mahazo ny ekipa tarihin’ny DRICC Analamanga androany Zoma 07 Aprily 2023, nanara-maso ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro. Tsikaritra tamin’izany fa efa misy ny fidinan’ny vidiny vary vokatra eto an-toerana satria efa 750Ar/kapoaka ny tsipala fa ny vary gasy Mangamila sy makalioka kosa no mbola misy mahatratra hatramin’ny 950Ar/kapoaka.

Nentanina hatrany moa ireo mpivarotra mba tsy ho alaim-panahy hanararaotra.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...