Antenimieran’ny varotra sy indostria (CCI): miantso ireo mpikambana maharitra hamerina ny hasin’ny CCI ny Minisitra Edgard Razafindravahy

« Adidinareo voafidy anatin’io CCI io ny miresaka amin’ireo mpandraharaha ireo. Ndao hiray hina ». Feno faharesen-dahatra ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha nitodika tamin’ireo mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Alaotra Mangoro omaly Alakamisy 22 Jona 2023 tany Ambatondrazaka.

Navoitrany fa amin’ny alalan’io Antenimieran’ny Varotra io no anatanterahana ny fitsinjaram-pahefana ara-toekarena hampandrosoana ny faritra. Antenimiera toy ny Antenimiera rehetra ny CCI fa Antenimieran’ny Varotra. « Ianareo no masoivohon’ny faritra misy anareo. Olom-boafidy ianareo no sady ambasadaoro. Tanteraho fa izay no andrasan’ny vahoaka amintsika », hoy ihany izy nanamafy ny hafatra. Afaka mifampiraharaha avy hatrany amin’ny eto an-toerana sy ireo mpandraharaha any ivelany ny CCI, mampahafantatra sy mitady lalam-barotra ho an’ny vokatra malagasy.

Nandrisika ny any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro hiroso amin’ny Dinika iarahan’ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina moa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.

Omaly no nanao ny fianianana sy napetraka tamin’ny toerany ireo mpikambana maharitra 23 ao amin’ny CCI Alaotra Mangoro.

Vous aimerez aussi...