SOSIALIM-BAHOAKA: Jerena manokana ny famatsiana ireo faritra simban’ny rivodoza BATSIRAI

Vonjy rano vaky. Atao vaindohan-draharaha ny fandefasana entana toy ny Vary ho an’ny mponina any amin’ireo faritra nitondra takaitra noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai. Mitohy hatrany kosa ny fisokafan’ny Tsena Mora manerana ny nosy. Tsy tapaka koa ny famatsiana Vary Tsinjo ny faritra rehetra.

👉

TSENA MORA:

✓Vangaindrano: Efa any an-toerana ny Vary 30 taonina
✓Mananjary: 45 taonina hamatsiana ny mponina
✓Manakara sy Farafangana: 64 taonina efa an-dàlana avy any Fianarantsoa
✓Fianarantsoa: Ampy ho an’ny mponina ny Vary Tsinjo efa any an-toerana

👉

VARY TSINJO :

✓Manakara, Mananjary, Farafangana : 25 taonina avy isaky ny Faritra efa an-dàlana
✓Fianarantsoa, Ihorombe: 75 taonina (gony 25kg 3000 isa) miainga androany maraina
✓Toliara: 50 taonina (gony 25kg 2000 isa) efa any an-toerana

Vous aimerez aussi...