Rivodoza Batsirai

Tao amin’ny distrikan’Ankazoabo no foiben’ilay rivodoza Batsirai androany tamin’ny mitataovovonana teo. Nisy ny aina nafoy sy ny fahasimbam-pananana, vokatry ny fandalovany, indrindra tany amin’ny Faritra Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony. Manginy fotsiny ny tebiteby sy ny fitaintainana tamintsika mianakavy. Eto ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy Varotra ary ny Fanjifana, tarihin’ny minisitra Edgard Razafindravahy dia mankahery ireo niharam-boina sy tsy manan-kialofana hitràka sy hiatrika ny fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza. Manaitra koa ny mpifanila vodirindrina, ny mpiara-monina, ny tsara sitrapo rehetra hiara-hientana amin’ny fifanomezan-tanana araka ny kolontsaintsika Malagasy: “Ny voin-kava mahatratra”.
Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana manokana moa dia manohy ny famatsiana ny faritra amin’ireo entana ilaina andavanandro. Midina ifotony avy hatrany mijery ny zava-misy amin’izay mety ho fanararaotana amin’ny vidin’entana. Maniry, araka izany, fiaraha-miasa amintsika mpajifa mba hampahafantatra ireo Fitaleavam-paritra (DRICC) ahafahana mandray ny fepetra raha misy trangan-javatra miendrika fanararaotana.

Vous aimerez aussi...